<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>JEROSALEMA VAOVAO ASAFA54</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy mba misy fahasambarana
 Eto an-tany fandalovana,
 Voahodidin-doza mahatsiravina,
 Lavitry ny fiadanana.

[C1]
   Misy kosa izay nomanin'i Jeso,
   Ho an'ny olona voavotra,
   Tsy ho hita ao ny fahalovana,
   Fa namboariny haharitra.

[V2]
 Raha ety dia maro be ny rehaka,
 Rendrarendra mahasarika,
 Tsy mba volamena fa ankosotra,
 'Zay jerena dia mamitaka.</lyrics>
<hymn_number>54</hymn_number>
<author>Landy RABENIRAINY</author>
</song>